Matthew 12

1Tamin’izany fotoana izany Jesosy nandeha namakivaky ny tanimbary tamin’ny andro Sabata. Noana ireo mpianany ka nanomboka nioty salohim-bary dia nihinanana ireo. 2Nefa noho ny hitan’ireo Fariseo izany, dia hoy izy ireo tamin’i Jesosy hoe: “Jereo, ireo mpianatrao manao izay tsy ara-dalàna ny manao azy amin’ny Sabata.”

3Fa Jesosy niteny azy ireo hoe: “Mbola tsy novakinareo mihitsy va ny zavatra nataon’i Davida, rehefa noana izy, sy ireo lehilahy rehetra niaraka taminy? 4Niditra tao amin’ny tranon’ Andriamanitra izy ary nihinana ny mofon’ny fanatrehena, izay tsy ara-dalàna ho azy raha hanina ary tsy ara-dalàna ho an’ireo izay niaraka taminy, nefa ara-dalàna ho an’ny lohan’ny mpisorona irery ihany.

5Tsy mbola novakinareo va ny ao amin’ny lalàna, fa amin’ny Sabata ireo mpisorona ao an-tempoly dia manota ny Sabata nefa tsy manan-tsiny? 6Kanefa lazaiko aminareo fa eto ny iray lehibe noho ny tempoly.

7Raha fantatrareo ny hevitry ny hoe: ‘Famindram-po no iriko fa tsy sorona,’ dia tsy nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. 8Fa ny Zanak’Olona no Tompon’ny Sabata.”

9Avy eo Jesosy niala tao ka niditra tao amin’ny synagogan’izy ireo. 10Indro, nisy lehilahy izay malemy tanana teo. Nanontany an’i jesosy ireo Fariseo, nanao hoe: “Ara-dalàna va ny manasitrana amin’ny Sabata?” mba hiampangan’izy ireo Azy amin’ny fahotana.

11Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Olona iza eo aminareo, iza, raha ondry iray fotsiny no ananany, ka raha latsaka anaty lavaka lalina ilay ondry amin’ny Sabata, no tsy hisambotra azy ary tsy hampakatra azy? 12Tsy manan-danja mihoatra lavitra, va, ny olona noho ny ondry! Ka noho izany dia ara-dalàna ny manao soa amin’ny andro Sabata.”

13Avy eo hoy Jesosy tamin-dralehilahy hoe: “Ahinjiro ny tananao.” Dia nahinjiny izany, ka niverina ny fahasalamany, tahaka ny tanany ilany. 14Fa nivoaka ireo Fariseo ka nitetika ny hamono Azy. Nitady hevitra ny amin’ny fomba mety hamonona Azy izy ireo.

15Rehefa nahalala izany Jesosy, dia niala teo Izy. Olona maro no nananaraka Azy, ary nositraniny izy rehetra. 16Dia nandidy azy ireo Izy mba tsy hampafantatra Azy amin’ny hafa, 17mba hahatanteraka, izay efa nambara tamin’ny alalan’ Isaiah mpaminany, manao hoe:

18“Jereo, ny mpanompoko izay nofidiko; ry ilay malalako, izay sitrakin’ny fanahiko indrindra. Hapetrako ao aminy ny fanahiko, ary hanambara ny fitsaràna amin’ny Jentilisa izy.

19Tsy hifanditra na hiantso mafy izy; ary tsy hisy olona handre ny feony eny an-dalàna. 20Tsy hanapaka ny volotara torotoro izy; tsy hamono izay lahin-jiro manentona, mandra-panaony ny rariny ho fandresena, 21ary amin’ny anarany no hananan’ireo Jentilisa fanantenana.”

22Avy eo nisy olona jamba sy moana, nitoeran’ny demonia, noentina teo amin’ny Jesosy. Nositraniny izy, vokatr’izany dia niteny sy nahita ilay moana. 23Gaga ireo vahoaka rehetra ka niteny hoe: “Mety io lehilahy io ve no Zanak’i Davida?”

24Kanefa rehefa nandre izany fahagagana izany ireo Fariseo, dia hoy izy ireo hoe: “Io lehilahy io dia tsy mamoaka demonia raha-tsy amin’ny alalan’i Belzeboba, lehiben’ny demonia.” 25Kanefa fanatatr’i Jesosy ny eritreritr’izy ireo ka niteny azy ireo izy hoe: “Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra, ary ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava.

26Raha mamoaka satana ny satana, dia miady an-trano izy. Ahoana noho izany no hijoroan’ny fanjakany? 27Ary raha mamoaka ireo demonia amin’ny alalan’i belzeboba Aho, dia amin’ny alalan’iza izany no adroahan’ny zanakareo azy ireo? Noho izany antony izany dia ho mpitsaranao izy ireo.

28Kanefa raha mamoaka ireo demonia amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra Aho, dia efa tonga aminareo ny Fanjakan’Andriamanitra. 29Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona miditra ao an- tranon’ny lehilahy mahery ary maka ireo fananany raha tsy hafatotra aloha ilay lehilahy mahery? Avy eo haka ireo fananany ao an-tranony izy. 30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy, ary izay tsy mitambatra miaraka Amiko dia miparitaka.

31Noho izany lazaiko aminareo fa, ho voavela heloka ny olona amin’ny fahotaha sy fitenenan-dratsy rehetra, fa ny fitenenan-dratsy amin’ny Fanahy Masina dia tsy hahazoana famelan-keloka. 32Na iza na iza miteny manohitra ny Zanak’Olona, dia ho voavela izy. Fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina, dia tsy ho voavela izy, na amin’izao fiainana izao, na amin’izay ho avy.

33Ataovy tsara ny hazo dia hamoa tsara izany, na ataovy ratsy ny hazo dia hamoa ratsy izany, fa fantatra amin’ny voany ny hazo. 34Ianareo taranaky ny menarana, satria ratsy fanahy ianareo, koa ahoana no afahanareo miteny zavatra tsara? Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vavany. 35Ny olona tsara avy amin’ny harena tsara ao am-pony dia mamokatra izay tsara, ary ny olon-dratsy avy amin’ny harena ratsy ao am-pony dia mamokatra izay ratsy.

36Lazaiko aminareo fa amin’ny andron’ny fitsarana dia ho adinina amin’ny teny tsy voahevitra nolazainy avy ny olona. 37Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anareo.”

38Avy eo nisy mpanora-dalàna sy Fariseo sasantsasany namaly an’i Jesosy ary niteny hoe: “Ry Mpampinatra, maniry ny ahita famatarana avy aminao izahay.” 39Fa namaly Jesosy ary niteny azy ireo hoe: “Misy taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga mitady famantarana. Kanefa tsy misy famatarana omena azy afa-tsy ny famataran’i Jaona mpaminany. 40Fa tahaka an’i Jonah izay telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny trondro lehibe, dia ho toy izany koa no hitoeran’ny zanak’olona telo andro sy telo alina ao anatin’ny tany.

41Ireo olon’i Ninive dia hitsangana eo amin’ny fitsarana miaraka amin’ity taranaka ity ary hanameloka izany. Fa nibebaka izy ireo tamin’ny toritenin’i Jaonah, ary indro, misy olona lehibe noho jaonah eto.

42Ny mpanjakavavin’ny atsimo dia hiara-hitsangana amin’ireo lehilahin’ity taranaka ity amin’ny andron’ny fitsarana ary hanameloka izany. Tonga avy any amin’ny faran’ny tany izy mba handre ny fahendren’i Salomona, ary indro, misy olona lehibe noho Solomona eto.

43Rehefa nisy fanahy ratsy niala tao amin’ny lehilahy iray, dia mandalo tany karakaina izy ary mitady fitsaharana, nefa tsy mahita izany. 44Izany dia milaza hoe: ‘Hiverina any amin’ny tranoko izay nihaviako aho.’ Ary nony tonga, dia nahita fa voafafa ny trano ary nilamina. 45Avy eo dia nandeha izany ary nitondra fanahy ratsy fito niaraka taminy izay ratsy mihoatra azy, ka niditra nonina tao izy rehetra. Avy eo niha-ratsy noho ny voalohany ny fiafaran’izany lehilahy izany. Ary ho tahaka izany koa ny amin’ity taranaka ratsy fanahy ity.”

46Raha mbola niteny tamin’ireo vahoaka Jesosy, dia indreo, ny reniny sy ireo rahalahiny nijoro tany ivelany, nitady hiresaka aminy. 47Nisy olona iray niteny taminy hoe: “Jereo, ny reninao sy ireo rahalahinao mijoro ao ivelany, mitady iresaka aminao.”

48Fa namaly Jesosy ary niteny tamin’ilay niteny Azy hoe, “Iza no reniko ary iza ireo rahalahiko?” 49Avy eo nahijiny tamin’ireo mpianany ny tanany ary niteny hoe: “Jereo, indreto ny reniko sy ireo rahalahiko! Fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izany olona izany no rahalahiko, sy ny anabaviko, ary reniko.”

50

Copyright information for PltULB